VAVAK’i MOMPERA CHEVRIER: O, RY TENY ! O, RY KRISTY !

Publié le par prado

O ry Teny! O ry Kristy!

Tsara tokoa Ianao! Lehibe tokoa ianao!

Iza no hahay hahalala Anao?

Iza no ho afaka hahafantatra Anao?

Kristy ô, ataovy mahalala Anao aho ary ataovy tia anao!

Satria Ianao no fahazavana,

avelao ho tonga ny taratry io fahazavan’Andriamanitra io

amin’ity fanahiko mahantra ity,

mba ahazoako mahita sy mahafantatra Anao.

Omeo finoana lehibe anao aho,

Amin’izay ny teninao rehetra

ho fahazavana hanilo ahy

ary manintona ahy Aminao sy hanaraka anao

amin’ny lalana rehetra ny fahitsiana sy ny fahamarinana

O ry Kristy ! O ry Teny !

Ianao no Tompoko sy Ianao no hany Mpampianatro tokana

Mitenena, te-hihaino Anao aho

ary hanatanteraka ny teninao

Te-hihaino ny teninao Andriamanitra aho

satria fantatro fa avy any an-danitra izany

Te-hihaino azy aho, handinika azy, ary hanatanteraka azy

Satria ao anatin’ny teninao

misy ny fiainana, ny fifaliana, ny fiadanana, ary ny fahasambarana

Mitenena Tompo ô!

Ianao no Tompoko sy Mpampianatro

Ary tsy te-hihaino afa-tsy Ianao aho

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article